<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>545</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Endrey, izany hafaliana
 Fa velona aina izahay
 Tanteraka ny faniriana
 Ka dera ho Anao, ry Ray !
 Atolotray tokoa ny tena
 Mba ho fanati-tsitrakao,
 Satria manaiky sy ekena
 Ho tonga olom-baovao.

[V2]
 Ny Tanindrazanay malala,
 Ry Jeso Tompo, anjakao
 Hiorina eto, tsy hiala,
 Ny fiadanana entinao !
 Ny aizin'ota anie hisava,
 Ny fahantrana koa handao
 Fa ho tarafin'ny Mazava
 Hanjary tany vaovao.

[V3]
 Ny Fiangonanao angony,
 Fanahy ô, ho tena iray,
 Ka tsy hizarazara intsony
 Fa Hianao no mampiray,
 Dia ho fanasina, fanilo,
 Ho an'izao tontolo izao ;
 Hijoro, tsy handraraka ilo,
 Hitafy toetra vaovao.</lyrics>
<title>Endrey izany hafaliana FFPM545</title>
</song>